airtel

Fifamoivoizana

23-avril-2024

Mpamily nandratra olona

Antsoina hitolo-batana

Sample post image

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

23-avril-2024

hoy ny antso nataon’ny fiadidiana ny zandarimaria na CIRGN Antananarivo omaly, nanao antso ho an’ilay mpamily nandona olona teo amin'ny sampanana Ambohimanga Rova ny 21 aprily 2024 teo. Nomarihina moa fa tamin’ny 7 ora sy sasany hariva no nitrangan’ny loza. Voalaza fa tsy nijanona ary nitsoaka io fiara io. Zotra D misy tsipika mena mampitohy an’Ivato sy Vassacos. Fantatra ny laharan’ny fiara. Naratra mafy nentina hopitaly teny Anosy avaratra ary nentina haingana tao amin’ny hery vonjitaitran’ny CHU-JRA Ampefiloha indray. Omaly 22 aprily dia tsy maintsy nentina ao Befelatanana satria misy vaky ny taolan-tava. Antsoina ianao hitolo-batana sy handray andraikitra dieny mbola tsy sarotra ny raharaha, hoy hatrany ny zandarimaria niantso ity mpamily nitsaoka ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap