airtel

Fifamoivoizana

29-avril-2022

Fifamoivoizana

Mpamily sy resevera tsy nanara-dalàna Nifona ampahibemaso fa tsy hanary mpandeha an-dalana intsony

Sample post image

Taxibe iray ao amin’ny zotra 172 mampitohy an’ny 67 ha sy Andoharanofotsy indray no tratran'ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy sy ny kaoperativa afak’omaly alarobia 27 aprily

29-avril-2022

 rehefa nitaraina tao amin'ny tambazotra ny mpandeha iray tao anatiny. Tsy nanaja mpandeha, nanao toetrana jiolahim-boto ny "receveur", namadika " plaque ", ary niodina teny Namontana raha toa ka mbola tokony hizotra ho any Anosy. Marobe anefa ireo mpandeha no nilahatra tamin'io zotra misy ny taxibe 172 io.Mpandeha iray no niantso ny zandarimaria Andoharanofotsy rehefa nahita ny tsy fanarahan-dalàna ankoatra ilay tambajotra. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny niaraka tamin'ny kaoperativa ireto farany nandritra izany. Tsy mahazo miasa mandritra ny 10 andro ilay fiara. Nalain'ny fivondronana ny fahazoan-dàlana hamily fiara an’ilay mpamily ary nasaina nifona izy roalahy. Nampanoratana soratra manao hoe : "Tsy hanary mpandeha an-dàlana intsony izahay manomboka izao ary mifona" Mbola ho mafimafy kokoa ny sazy ho azy ireo raha tratra fanindroany hoy ny zandarimaria sy ny kaoperativa.

Nangonin’i Pati

 

 

Dans la même rubrique