airtel

Fifamoivoizana

25-oct-2021

Fifamoivoizana

Mpandeha 146 tamin’ny Air Mauritius Malagasy nody an-tanindrazana ny 65%

Sample post image

Nigadona teto Madagasikara ny sabotsy 23 oktobra teo ny sidin’ny Air Mauritius nitondra olona miisa 146. Sidina voalohany taorian’ny fikatonan’ny sisin-tany nandritra ny 20 volana io.

25-oct-2021

 Teratany Malagasy, ary mipetraka eto Madagasikara avokoa ny ankamaroan’ny mpandeha izay nahatratra 95, manome tahan’isa 65%, araka ny fampahafantaran’ny Minisiteran’ny fizahantany. Ny 51 tamin’ireo mpandeha dia ireo teratany vahiny mipetraka eto Madagasikara, na vahiny handeha handraraha eto amintsika, na mpizahatany. Ny 27% amin’ireo dia tsy mipetraka eto, 14 tamin’ireo 146 voasoratra niainga tany Maurice ireo no mpizahatany. Mba ahazoana antontan’isa marina sy ara-potoana, dia misy ny famenoana pitsopitsony napetraka eny amin’ny seranam-piaramanidina hilazana ny anton-dia, ny firenena nihaviana, ny endriky ny fiantranoana na koa ny faritra haleha. Mivoaka amin’io avy hatrany ny antontan’isan’ny mpizahatany manokana tonga amin’ny alalan’ny sidina iraisam-pirenena, migadona eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap