airtel

Fifamoivoizana

13-févr-2023

Fifamoivoizana

Mpisehatra sy mpamiasa lalana « Lainga tsara lahatra ilay 600 miliara noresahan’ny praiminisitra »

Sample post image

Niara-nikaon-doha tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny faran’ny herinandro teo ireo mpisehatra sy mpampiasa lalana eto Madagasikara.

13-févr-2023

Nahitana ireo mpandraharaha misehatra amin’izany tao, ireo mpitatitra, ireo injeniera sy ny maro hafa. Ny zava-misy sy ny vahaolana ho an’ny lalam-pirenena sy ireo lalana amin’ny tanan-dehibe eto Madagasikara moa no nifotoran’ny resaka. Miara-miaiky ireo mpisehatra, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha izay nitarika ny adihevitra, ny depiote Rolland Ratsiraka, fa tsy mbola nisy lalana toy izao teto Madagasikara. Misy ny lalam-pirenena izay iandraiketan’ny minisiteran’ny asa vaventy, hoy izy. Misy ny lalana anaty kaominina izay iandraiketan’ny kaominina ary misy ny lalam-paritany sy lalam-paritra iandraiketan’ny faritra. Efa fantantsika ny olana fa ny vahaolana no tiako ho resahana. Voalohany dia mila averina FER na “Fonds d’entretien routier” ny FR na “Fonds routier”. Mampidi-bola isam-bolana amin’io isika rehetra izao na iza na iza na tsy manana fiara aza. 10 miliara Ariary isam-bolana io vola io. Mahazaka 100 miliara Ariary isan-taona. Tsy tokony hisy lavadavaka izany na iray aza fara faha ratsiny ny RN2, RN4, RN6, RN7. Miresaka ny praiminisitra hoe 600 miliara sisa no vola ao. Lainga tsara lahatra izany. Ekeko fa 2019 nisy 100 miliara. 2020, 2021, 2022 samy nisy 100 miliara fa ilay vola efa tsy ao intsony. Tokony hijoro hanazava amintsika malagasy ny praiminisitra sy ny minisitry ny asa vaventy ary mandoa io vola io. Nataonareo inona ilay vola? Araka ny feo dia hoe nalefan-drizareo any amin’ny JIRAMA. Tsy voavaha mihitsy ny olan’ny JIRAMA satria tsy soniavin’I Andry Rajoelina ny Volobe, ny Sahofika sy izao rehetra izao. Ravaina izany izao ilay vola dia fotsy ho azy ao dia tsy mandeha ilay fikojakojana lalana. Tsy aharitra 8 taona izao ny lalana Ambilobe – Vohemar izay vao vita teo. Tsy ampy ny vola azo avy amin’ny tamberina na “redevance” mikasika ny fikojakojana ny lalana. Mila ampitomboina io nefa mialohan’izay dia mila amboarina aloha ny lalana rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap