airtel

Fifamoivoizana

01-sept-2021

Fifamoivoizana

Mpitatitra - fasan’ny karana “Tena tsy mety aminay ny eny Ambohimanambola”

Sample post image

Mangataka ny hananganana tobim-piantsonana vaovao ireo mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena mianatsimo raha araka ny nambaran’ny lehiben'ny tobim-piantsonana eny amin'ny Fasan'ny Karana,

01-sept-2021

 Randrianarisoa Liva Olivier. Tsy hifindra eny amin'ny toby vaovao Ambohimanambola izy ireo hoy ihany izy. Mbola olana na ho an'ny mpanjifa na ho an'ireo mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 mantsy ny halaviran-toerana raha oharina amin'ny afovoan'ny tanana toy ny etsy amin’ny Fasan’ny Karana raha toa ka hafindra eny Ambohimanambola ny toby fiantsonan'ny fiara mpitatitra manao ny zotra nasionaly mianatsimo.Manoloana io fangatahana io dia nanambara kosa ny minisitra tompon’andraikitra, Tinoka Roberto, fa ''azo jerena tsara ny momba izany, ary vonona izy ny hiara-hidina ifotony hijery ny sakana, miaraka amin’ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana.
Nangonin’i Pati

  1.  

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap