airtel

Fifamoivoizana

05-mars-2021

Fifamoivoizana

Mponin’Ambohipo Nanome soso-kevitra iadiana amin’ny fitohanana eny Ambanidia

Sample post image

Eo Ambanidia irery ihany no hany lalan-tokana hivoahan’ireo mponina avy any Ambohipo rehefa hivoaka izy ireny.

05-mars-2021

 

 

Anisan’ny toerana tena tery anefa ny eo Ambanidia no sady be fitohanana, hany ka tara lava ny mponina isan’andro, indrindra fa ny mpianatra sy ny mpiasa. Nahita hevitra izy ireo araka izany hamahana ny olana ka nanolotra izany ho ren’ny fitondram-panjakana mba ho tombontsoan’ny mponina. Hangatahin’izy ireo ny hanokafana ny vavahadin-dalana toy ny eo amin’ny Ravitoto izay azo vakiana tsara. Azo hatao ihany koa hoy ny Raim-pianakaviana iray ny manokatra ny lalana ao ambonin’ny barazin’ny orinasa JIRAMA eny Mandroseza sy ny lalana avy eny Ambohimanambola mivoaka ny By pass…Ny hialana amin’ny fitohanana lavareny eny Ambanidia isan’andro no tanjona.

Pati

 

Dans la même rubrique