airtel

Fifamoivoizana

04-avril-2022

Fifamoivoizana

Nampiakatra saran-dalana tsy lera Nosamborina ilay mpamily sy ny mpanampy azy

Sample post image

Fitateram-bahoaka iray ao amin’ny zotra F mampitohy an'Ampefiloha sy Anjomakely no nampiakatra saran-dalana rehefa hariva ny andro.

04-avril-2022

Tsy vitan'ny mampiakatra saran-dalana ity farany fa sady mampiasa seza volamena no mbola avo vava amin'ireo mpandeha ary milaza fa: " izay tsy mahatakatra ilay saran-dalana dia mahazo mivoaka fa maro ny olona te-handeha" . Nahazo antso tamina mpandeha iray tamin'ity zotra ity ny Polisy ka voasakana tetsy Iavoloha ilay fiara saingy tsy nety nijanona fa nirifatra nandositra ihany. Niroso tamin'ny fisamborana ilay mpamily sy resevera ny Polisy ka ny maraina ihany dia tratra ireto farany. Tamin'ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa voasambotry ny Polisy noho ny fitsoahana Polisy izy roalahy ireto volana vitsivitsy izay ka izao tratra fanindroany izao indray. Misimisia ny fanenjehana hataon’ny polisy amin’ireo taxibe mampijaly vahoaka tahaka izao. Ankoatra ny zotra F mantsy dia zotra maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany koa no manao izao fihetsika izao ka anisan’ireny ny ao amin’ny zotra G.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap