airtel

Fifamoivoizana

24-juin-2026

Nangotraka ny grevin’ny taksibe

Vita ny fifandaminana

Sample post image

vonjimaika, tsy maintsy hihatra ny lalàna…

24-juin-2026

Nafampana ny toe-draharaha mikasika ny fitateram-bahoaka teto Antananarivo omaly talata 23 jona 2026 manohitra ny ambaran’izy ireo fa fanararaotam-pahefana sy fitakiam-bola tsy ara-drariny ary ny fampidirana ambalam-pamonjana andoavana volabe ataon’ny polisy kaominaly ambany fiahian’ny DTMU (Direction des Transports et de la Mobilité Urbaine) eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nitazona ny teniny hanao grevy ny mpamily sy ny reseveran’ny taksibe sasany, izay namaritra fa ho eny amin’ny Makis Andohatapenaka. Niova ny sary, satria raikitra ny rotaka sy ny savorovoro omaly maraina, niharan’ny fanakanana sy famoahana ny mpandeha tamin’ireo taksibe nisafidy ny hiasa. Nitohy tamin’ny barazy sy fandorana kodiarana teny an-dalambe, toy ny nitranga teny Ampasampito. Nisy ny andian’olona nitonona ho mpamily sy resevera tonga hatramin’ny fitondrana hazo misy fantsika miranirany heverina hamelezana ireo taksibe mbola miasa toy ny teny Anosizato, tao ny nitanjozotra nitondra sora-baventy toy ny avy any Sabotsy Namehana niazo ny renivohitra,… Nifamotoana teny anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ka tonga hatramin’ny famotehana fiaran’ny kaominina. Nisy ny fifampidinihan’ireo solontenan’ny mpamily sy ny resevera andaniny, ary ny manam-pahefana notarihin’ny PDS Feno Ralambomanana sy ireo solontenan’ny governemanta maromaro : Minisitry ny filaminam-bahoaka, minisitry ny fitaterana, minisitry ny atitany, Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy, minisitry ny fampianarana teknika, Prefen’Antananarivo,… naharitra ora roa teo. Namafisin’ny Kaominina ny efa fisiana famahana ireo olana azo novahana teo noho eo, ka ny dinika ny talata teo, dia efa nahantona ny sazy aloa amin’ny « licence » hanaovana ny nomerika 685 000Ar izay tamin’ny andron’ny mpitantana ny kaominina teo aloha, nanaiky ny kaominina fa tsy hapetraka intsony ny sazy 200 000Ar amin’ny fourrière, misy vola naloa tamin’ny kaoperativa nolazaina fa efa tonga amin’ny kaominina kanefa tsy tonga,… Tsy marina, hoy ny manam-pahefana ny filazana fa tafakatra 1 tapitrisa Ar ny sazy !

MANIZINGIZINA FA TAFAHOATRA NY FANARARAOTAM-PAHEFANA
Manamafy ireo mpamily fa tafahoatra ny fanararaotam-pahefana, ny polisy nasionaly dia mijery sy milaza ny antony, fa ny polisy monisipaly tsy manaiky fanazavana, fa lazaina ho mamaly sy manohitra tsy hanome ny taratasin’ny fiara. Tsy tafapaka amin’ny mpampiasa sy ny lehiben’ny kaoperativa ny fitarainanay, ka rehefa feno ny kapoaka dia mitobaka, hoy izy ireo. Handray fepetra amin’ny didy jadona ny manam-pahefana, ary nanentana ny namany hiverina hiasa kosa ireo solontena, ary hanaja ny fitsipika sy lalàna mba tsy hanaratsy endrika ny fitaterana, araka ny fanambarana nataon’i Paoly na Tafita Gilbert avy amin’ny zotra 104. Niantso fandraisana andraikitra amin’ireo mpanao jono botry kosa ny mpamily amin’ny zotra 133 ka hanasazy ireo manao saran-dàlana 2000 na 3000Ar fa ireo mandoa « licence » sy mpandoa hatram-panjakana ihany ny fitaterana. Milaza izy ireo fa misy mpitandro filaminana miaro azy ireny. Naneho fa ekena ny fanasaziana an’ireo mampijaly mpandeha sy mandika lalàna, fa lavina marin-drano ny fanararaotana. Mbola niziriziry ny ankamaroan’ireo mpamily sy reseverana taksibe rehefa nanao tatitra ireo namany, ka nilaza ny sasany fa tsy fampihenana ny sazy fa fanafoanana. Tapaka fa hatsahatra vonjimaika ny fisamborana sy ny fampidirana fiara eny amin’ny « fourrière », na avy amin’ny Polisy Kaominaly izany na avy amin’ny mpitandro filaminana hafa, ka nanaiky hiala teo Analakely ny mpitokona, ary niazo an’Anosipatrana hamoaka ireo fiara nogiazana.
TSY MAINTSY HIHATRA NY LALANA…
Mpiasam-bahoaka izahay, tsy mitady ary tsy mieritreritra akory hanafay ny mpitatitra. Enim-bolana nifampitaiza isika, mbola nanome herinandro nialohan’ny namerenana ny sazy. Hofoanana ve ny sazy ka havela ho baranahina ny tanàna ? hoy ny PDS eto Antananarivo. Efa nisy ampahany voavaly ny fitakiana, havoaka mazava ireo sazy sy ny vola aloa isaky ny sazy,… Hiverenana hodinihina mazava miaraka amin’ny kaominina ny hanaovana ny sazy, tsy ho foana, fa hojerena ny marimaritra iraisana. « Ho an’ny tombotsoam-bahoaka fa tsy ho an’ny kaominina, ary ny sazy natao dia tsy ilaina akory raha samy manara-dalàna ny rehetra », hoy ny PDS Feno Ralambomanana. Naneho ny PDS fa mijoro ny Fanjakana ary mihaino ny vahoaka, tsy maintsy miara-miasa ary miahy ny vahoaka ny Fanjakana. Inoana, hoy izy, fa miravona ny disadisa kely, tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Manokatra varavarana ny CUA, ary raisina ny fitorohana ireo mandika lalàna sy manararao-pahefana fa inoana ihany fa mba hanara-dalàna ireo mpitatitra. Nanipika ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena Contrôleur General de police Tsaramonina Ravony, fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna. Vonona hanitsy sy hanasazy izay manao ny tsy mety ao aminy ny polisim-pirenena, ary miantso ny mpitatitra hanaja lalàna. « Haverina ampahatsiahivina ny lalàna ho an’ny mpanao fitateram-bahoaka. Fetim-pirenena isika izao ka mila mampiseho fahendrena mba tsy hisian’ny fanararaotana. Zanaky ny Fanjakana avokoa ny vahoaka rehetra, fa ny manao adalana mihoampampana dia tsy ho ekena mihitsy izany. », hoy kosa ny Prefen’Antananarivo Atoa Maminjanahary Vonjy Andriasy.
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique