Naharay antso ny Vondron’ny mpamonjy voina tamin’ny 11ora sy 24 mn alina fa misy fiara sprinter « bus 186 » may eny Nanisana akaikin’ny EPP. Niomana avy hatrany ary nalefa ny fiarabe mpamono afon’Andravoahangy taorian’izany. Noho ny fahasarotana dia niantso "renfort" izy ireo ka nalefa nanampy tosika ny avy ao Tsaralalana. Naharitra ora iray sy 20mn vao maty tanteraka ny afo. Nisy ihany koa fiara golf iray izay voakasiky ny afo ny ilany havia. Tsy mbola fantatra moa izay antony nahatonga ny loza. Manentana hatrany ny amin’ny fitandremana ny Vondron’ny mpamonjy voina manoloana izany. Ankoatra ny trano mantsy dia mety hirehitra amin’ny fotoana rehetra ihany koa ny fiara ka tokony ho mailo hatrany ny tompony na ireo mitondra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny famonoana ny afo !
Tsy alatsinainy, tsy talata, tsy sabotsy, tsy alahady, saika isan’andro vaky
Tany amin’ny taona 1987 mbola tratran’ny lamandy 140 Ariary na 700 Franc izahay,