airtel

Fifamoivoizana

01-sept-2022

Fifamoivoizana

Natoritory ny teleferika Nambara fa efa ho avy ny “train urbain”

Sample post image

Nitondra teny sy nanome toromarika momba ny raharaha nitranga tany Ikongo ny Filohan’ny Repoblika nialohan’ny nandihana ireo lahadinika tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra omaly.

01-sept-2022

Nanamafy ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miory amin’ny vahoakan’Ikongo. Nivoitra tao anatin’ny filankevitry ny minisitra kosa ny hirosoana amin’ny fanaovana fifanarahana mivantana amin’ireo orinasa hamatsy fitaovana sy hanatanteraka ny asa izay tafiditra ao anaty ny fanatanterahana ny fametrahana ny « Lamasinina an-tanàn-dehibe » na « Train Urbain » eto Antananarivo izay Tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny hamerenana ny sidina mampitohy ny nosy Sainte-Marie sy ny nosy La Réunion, izay hanomboka ny sabotsy 17 septambra ho avy izao. Nambara fa efa mipetraka ao amin'ny seranantsambon’i Toamasina ny ampahany amin’ny lamasinina. Tsy voafaritra mazava kosa io na hanofa fiaramanidina na ilay raopilanina nampanantenain’ny Filoha… Nankatoavina ny fifanarahana mivantana ifanaovan'ny Fanjakana malagasy sy ny orinasa ARTERAIL izay mpamatsy izany lamasinina izany. Somary adino indray tato ho ato ny teleferika, ary nofohazina ny “train urbain” ao anatin’izao toe-draharaha mafana izao. Mitovy tahaka izany ihany koa ny ampahan'asa izay mifandraika amin'ny fametrahana herinaratra amin ny lalamby sy ireo ampahan asa mitandraika amin ny famatsiana sy fametrahana ireo fitaovana sy kojakojan-dalamby isan-karazany, toy ny lalamby, ny fitaovam-pamantarana (signalisation ferroviaire). Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanomezana sy/na hanavaozana ny fahazoan-dalana manafatra « Iubrifiants » ho ana orinasa miisa folo (10): ENELEC, U.Co.DIS, Manambitana, Design Auto, Alpa, Din Auto, Imexport International, Liqui- Moly, Ocean Trade ary Vima Oil Gas. Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin'ny fanafarana entana izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa « Promotion de l'Electrification Rurale par des Energies Renouvelables » (PERER)
Toky R 

Dans la même rubrique