airtel

Fifamoivoizana

21-juin-2022

Fifamoivoizana

Naverina 5 isaky ny seza ny taksibe Pi-maso noho ny ho fampiakarana vidin-tsolika ?

Sample post image

Nivoaka omaly alatsinainy 20 jona 2022 ny didim-pitondrana faha-135/2022-MID/PRF.POL izay navoakan’ny Prefektioran’ny Polisy eto Analamanga,

21-juin-2022

mamaritra ireo fepetra mahakasika ny isan’ny mpandeha ao anaty fiara fitateram-bahoaka rehetra eto amin’ny Faritra Analamanga. Voafaritra ao anatin’izany fa miverina ho 5/5 ny seza ho an'ny taxi-be rehetra, ary 4/4 kosa ny an’ireo mini-bus. Tsy maintsy manao aro vava-orona kosa ny mpamily, ny mpanampy ny mpamily, ary ny mpandeha rehetra. Hajaina hatrany ireo fepetra sakana rehetra mba Tsy hipariahan'ny valan'aretina Covid-19. Ireo no fepetra vaovao, ary foana sy tsy manan-kery intsony ny didim-pitondrana rehetra mifanohitra amin'ity didim-pitondrana ity. Endrika fanalalahana ny fepetra io na eo aza ny fiakaran’ny trangana coronavirus. Ny herinandro farany teo, nahatratra 324 ny tranga vaovao, ka teto Analamanga ny 299, izay midika fa tena miha miparitaka io eto, ary heverina fa isan’ny sehatra iray ipariahany ny fitateram-bahoaka. Raha raisina amin’ny fitomboan’ny tranga, tsy dia lojika loatra ny fanapahan-kevitra. Karazan’ny fiverenana sy fanamafisana ny asa fihariana anefa io, taorian’ny famerana ny isan’ny mpandeha isaky ny seza ho 4 na 3 arakaraka ny fiara, fanapahan-kevitra noraisina tany amin’ny taona 2020. Tsapa fa nanome endrika tsara ho an’ny fitaterana io tsy fametrahana olona tamin’ny seza afovoany io, niaina kokoa ny mpandeha fa tsy tery be, tsy nifanosona loatra,… hany ka maro tamin’ny mpandeha fiara fitateram-bahoaka no naniry ny hitazonana hatrany izany lamina izany hatrany na tsy ao anatin’ny vanim-pooanan’ny valanaretina coronavirus.
PI-MASO HO AN’NY MPITATITRA
Heverina fa karazana pi-maso ho an’ny mpitatitra eeo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny io. Eo ny fitohanana lavareny etsy sy eroa, nampiana fanodinkodinana làlana mampitombo ny fandaniana solika. Manampy trotraka izany ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika atsy ho atsy, ka aleon’ny Fanjakana mamerina ny fahalalana mitatitra olona maro kokoa mitaha ny teo aloha. Na izany aza, tena ny famatrarana ny olona tahaka ny mamatratra biby ve sanatria no vahaolana mety indrindra hanalefahana ny olana misy sy mety mbola ho avy?
Toky R

 

Dans la même rubrique