airtel

Fifamoivoizana

16-oct-2026

Navette"

miazo an'Amoronankona

Sample post image

Ampitomboina, manao antso fahalianana ny ATT

16-oct-2026

Manoloana ny fitomboan’ny isan’ireo mpampiasa ny Gara Amoronankona sy ny filàna fanatsarana hatrany ny rohim-pifandraisana amin’ireo fitateram-bahoaka hafa, namoaka antso hanehoana fahalianana ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT (Agence des Transports Terrestres) hitadiavana mpandraharaha iray na maromaro hampandeha ny "navette" miazo ity fotodrafitrasa lehibe ity. Efa nisy rahateo ny filazana sy fampahafantarana fa vonjimaika anatin'ny iray volana ihany ireo bus Foton izay isan'ny manampy amin'ny fitaterana miazo an'Amoronankona. Haharitra hatramin’ny 13 novambra 2026 amin’ny 4 ora hariva ny fe-potoana ahafahan’ireo liana mandefa ny antontan-taratasy fangatahany. Anisan’ny singa manan-danja amin’ny fampandehanana ny gara ny fisian’ity "navette" ity, satria izy no manampy ireo mpandeha hifindra mora foana eo amin’ny gara sy ireo tambajotran’ny fitaterana an-tanàn-dehibe ary ambanivohitra manodidina. Hatramin’ny nisokafan’ny Gara Amoronankona, efa nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fanalefahana ny fahasahiranan’ireo mpandeha ity tolotra ity, indrindra ho an’ireo mila manohy dia amin’ny taxi-be na fitateram-bahoaka hafa. Araka ny fepetra napetraky ny ATT, misokatra ho an’ireo orinasa sy kaoperativa ara-dalàna miasa eo amin’ny sehatry ny fitaterana olona ny fifantenana. Takiana amin’izy ireo ny fananana traikefa ampy sy fahaiza-mitantana tolotra fitaterana ho an’ny vahoaka. Azo atao ihany koa ny mirotsaka amin’ny alalan’ny fiaraha-mivondronan’ny orinasa maromaro mba hanatanterahana ny asa. Ny antontan-taratasy rehetra dia tsy maintsy apetraka eny amin’ny foiben’ny ATT ao amin’ny Gara Soarano, Antananarivo. Ao anatin’ireo antontan-kevitra sy torolàlana natokana ho an’ny mpifaninana no ahitana amin’ny antsipiriany ny fepetra takiana, ny andraikitra hiantsorohan’ny mpandraharaha voafidy ary ny fomba fampandehanana ny navette. Amin’ny alalan’izao antso izao dia mikendry ny hitazonana ny kalitaon’ny tolotra sy hiantohana ny fitohizan’ny asa fanompoana ireo mpandeha mampiasa ny Gara Amoronankona ny ATT, hoy ny fampahafantarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique