airtel

Fifamoivoizana

13-avril-2021

Fifamoivoizana

Nihetsika ireo Zotra nasionaly “Sokafy ny làlana, avelao izahay hiasa”

Sample post image

Nihetsika ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly sy rejionnaly manerana ny Nosy omaly: Fasan’ny karana, Atohamadinika,

13-avril-2021

 

 


Ampasapito, Antsirabe, Mahajanga, Ambatondrazaka, Toamasina,…
Mangataka sy mitaky ny hivohan’ny làlana sy hamelana azy ireo miasa. Raha ny fiara no mitondra aretina dia tsy tokony hisy fiara handeha intsony, ary raha ny olona, dia tsy tokony hisy tafiditra eto na avy aiza na avy aiza, saingy tsy izay no miseho fa lasa misy fitaterana tsy ara-dalàna manome vahana ny kolikoly, hoy izy ireo. Mangataka ny hisokafan’ny zotra rejionaly na nasionaly. Tokony hitovy tantana ny fitaterana rehetra sy ny fepetra, ary raha mijery ny eto an-dRenivohitra dia mitangorona sy tsy manaja fepetra ihany, hoy ireo mpitatitra. Raha tena tsy tafavoaka, dia akatony mandritra ny iray volana ny fitaterana rehetra, dia afaka miaina ny vahoaka Malagasy aorian’izay. Manome fe-potoana hatramin’ny sabotsy ny Fanjakana hitadiavam-bahaolana ho azy ireo ny zotra Nasionaly sy Rejionaly. Raha ny fanehoan-kevitra sy soso-kevitra avy amin’ny mpitatitra sasany omaly, dia vonona ny hanaja ny fepetra rehetra izy ireo hisorohana ny fipariahan’ny valanaretina covid-19, azo hovaina ho 2 isaky ny seza ny olona ary hakarina hifanaraka amin’izany ny saran-dàlana, afaka raisina ho fepetra ny fanaovana fitiliana mialohan’ny handehanana,…

NY MPIASA MADINIKA NO TENA LASIBATRA

Mahatsiaro ho lasibatra ireo mpitatitra, ary efa hatramin’ny taona lasa no tratry ny fampikatsoana, kanefa tsy misy fanampiana. Atsahatra ankitsirano amin’ny asa fotsiny, kanefa izahay mamelona vady aman-janaka, hoy ny sasany. Rehefa tena dinihina, ny mpiasa madinika no tena lasibatra. Mbola sokajiana ho sehatra tsy manara-dalàna ny sehatry ny fitaterana eto Madagasikara. Tsy mitovy tantana ny mpiasa, tsy misy fifanarahana arak’asa mazava, tsy misy karama marin-toerana ny sasany, toy ny an’ny taksibe, fa arakaraka ny vola azo, rehefa tsy miasa tsy mihinana, azo roahina amin’ny ora sy fotoana tiana hanaovana azy,… Misy ny rafitra koperativa, izay natao hitaky “participation” isan’andro, saingy ny lehiben’ny koperativa no mahazo tombony amin’io, fa ilay sehatr’asa tsy mivoatra amin’io. Raha atao kajy tsotsotra hoe: 4000Ar isaky ny fiara ny “cotisation” ho an’ny taksibe, ohatra, ka misy fiara 300 mpikambana efa 1 200 000Ar isan’andro, kanefa ilay tontolon’ny fitaterana misy lesoka be.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap