fantatra ankehitriny fa i Cape Town atsy Afrika Atsimo no hampiantrano ity fihaonam-be kaontinantaly momba ny fitaterana anabakabaka ity, izay ahitana ireo seranam-piaramanidina, kaompania anabakabaka, mpisehatra amin’ny fizahantany. Antony ny adalan’ny manampahefana Malagasy tamin’ny fitantanana hafahafa toy ilay resaka valizy misy kodiarana sy solosaina entin-tànana na “ordinateur portable” nolazaina fa tsy azo atao entana enti-tànana fa any amin’ny “soute”. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena fiarovana ny loza noho ny vatoaratry ny solosaina mety hipoaka, saingy ny minisitry ny fitaterana teo aloha no nanitrikitrika ny nandraisana io fanapahan-kevitra io, avy eo vao niverin-dàlana fa mbola vao eritreritra no saika atao. Tsy nanana antoka amin’ny resaka fisokafan’ny sisin-tanin’i Madagasikara ihany koa ny mpikarakara. Eo ihany koa ny famehezana ny fifamezivezen’ny sidina, ny fepetra ara-pahasalamana takian’ny manam-pahefana Malagasy amin’ny mpandeha iraisam-pirenena. Ireny rehetra ireny no mampananosarotra ny fahafaha-manatanteraka ny hetsika eto Madagasikara tsy ahafaha-mamaly ny fenitra takiana amin’ny AviAdev Votsotra tamin’i Madagasikara noho izany ity fikaonan-doha lehibe ity. Kaompania manodidina ny 40, mpandray anjara hatrany amin’ny 700 amin’ny sehatry ny fitaterana an’habakabaka sy fizahantany avy amin’ny firenena manodidina ny 20 anefa no handray anjara amin’io. Fotoana ahafahana maneho an’izao tontolo izao an’i Madagasikara, hisintonana mpizahatany sy mpampiasa vola, saingy maro ny lesoka avy amin’ny mpitondra. Isan’ny nampiaka-peo sy nanome tsiny mafy ny Fanjakana tamin’ny fahavotsoran’ity hetsika lehibe tokony hampiantranoan’i Madagasikara ity ny mpisehatra ara-pizahantany eto Madagasikara. Fanamby ny hanatratra mpizahantany 500 000 raha 300 000 tamin’ny 2018, saingy vao mainka fanosehana ny mpizahatany hiverina no ataon’ny Fanjakana, raha tarafina amin’ny sarany midangana, ny fepetra misy fitadiavam-bola be,... Ahiana hivarina any amin’ny lisitra mainty na « Annexe B ihany koa ny firenentsika amin’ny lafiny fitaterana anabakabaka noho ny zava-misy. Izao ve ilay antsoina hoe : fitantanana manara-penitra ?
Toky R
Tena tsy maharaka ny filan’ny mponin’Itaosy intsony ny isan’ireo taxibe miasa eny an-toerana.