airtel

Fifamoivoizana

24-avril-2024

Ny Sekolintsika Analamahitsy

Manohitra hatramin’ny farany ny fanmpandalovana ny teleferika !

Sample post image

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

24-avril-2024

eo ambonin'ny toeram-panabeazana ny ny ankohonam-panabeazana eo anivon’ny Ny Sekolintsika Analamahitsy ahitana ny mpanabe sy ny beazina miaraka amin’ny Raiamandreny, ampian’ny Fiangonana Katolika, ny DIDEC na Vovonan’ny sekoly katolika, ny solontena avy amin'ireo sekoly katolika rahavavy, Ny Sekolintsika Analamahitsy izay voakasika manokana, soloin’ny komity VRM (Vondron'ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra), ny maintimolalin'ny sekoly, ka namerina fa mila fanadihadihana lalina (Étude d'Impact Environnemental) satria tsy hisalasalana fa hiteraka « pollution visuelle et mentale » hoan'ny mpianatra ary hanimba be dia be ny fifantohan' izy ireo amin'ny fianarany. Voasakana ihany koa ny vina fanitarana amin'ny fampiakarana rihana ny sekoly noho io teleferika io izay ahiana fatratra handalo eo ambonin'ny sekoly sy ny Fiangonana EKAR Analamahitsy. Voahosihosy tanteraka noho izany ny zon'ny mpianatra hanana toeram-panabeazana manaraka ny fenitra takiana amin'izany, ary voahelingelina ny zon'ny ankizy madinika noho ny antony tsy mazava nanovana ny lalana arahin'izany fotodrafitrasa izany tsy araka ny vinam-panajariana fantatra teo aloha, hoy izy ireo. « Aminay dia vokatry ny fanapahan-kevitra antemaka sy an-terivaimanta izany ka tsy azo ekena velively. Noho izany, dia tsy mankato velively ny mety ho fanampahan-kevitra hampadalo io "ligne téléphérique" io eto amin'ny sekoly ka hamafisinay ny fitakiana efa natao hatramin'izay”, hoy ny fanambarana novakian-dRakotomalala Hasimbola. Tsy manaiky hatramin’ny farany izany izy ireo! Nanipika izy ireo, fa raha ilaina dia hoentina eo anatrehan'ny Fikambanana miaro ny zon'olom-belona aty Afrika ny fitarainana, kanefa mbola mino sy matoky hatreto fa mba manam-pahendrena ny Fanjakana mpanapa-kevitra ka hihaino izao fitakiana ny fanjakana mpanapa-kevitra. Nanamafy kosa i Masera Elia Talen’ny sekoly fa ny fanabeazana dia mila fifantohan’ny mpianatra amin’ny fianarana, ary efa misy vina hampiakarana ny fianarana “batiments” roa lalovan’ny teleferika. « Manaiky izahay fa mariky ny fandrosoana ary zava-baovao ny teleferika, kanefa tokony hapetraka tsara amin’ny toerana sahaza azy tsy hanelingelina sy hanakotaba ny hafa indrindra amin’ny toeram-panabeazana tahaka izao…”, hoy kosa Atoa Rakotozanany Eddy Mpiandraikitra ny fotodrafitrasa eo anivon’ny Ekar Analamahitsy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Tsy niova ny tamberim-bidy raisin’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Ravinala Airports

Card image cap
02-mai-2024

Manana kaompania fa tsy manana fiaramanidina ! Nakatona nanomboka omaly 01 mey

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny amin’ny Digue Ampitatafika omaly hariva efa madiva ho alina

Card image cap