airtel

Fifamoivoizana

11-mai-2022

Fifamoivoizana

Olona efa nahazoazo taona Tsy tokony avela mitondra fiara irery intsony

Sample post image

Efa tafiditra ao anatin’ny olona marefo ny zokiolona. Raha vantany vao mihoatra ny 60 taona izy ireny dia efa tokony hisy fanaraha-maso manokana indrindra raha vantany vao mivoaka ny trano.

11-mai-2022

Ho an’ireo raim-pianakaviana ohatra dia tsy tokony hitondra fiara irery intsony izy ireny na mitondra ihany fa mba misy olona miaraka aminy hisorohana ny loza mety hitranga sy tsy hanomezana loza ny hafa ihany koa. Tsy misy hafa amin’izay ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Talatamaty ny faran’ny herinandro teo. Fiara clio kely iray avy any Andohatapenaka no namantana tamina taxibe Sprinter iray avy any Alakamisy Ambohidratrimo. Raha araka ny fanazavan’ny mpamilin’ity farany dia vao lavidavitra dia efa hitany nivilivily io fiarakely clio io ka nijanona izy raha saika hiakatra hiazo an’i Vassacos. Namantana avy hatrany tany aminy ihany anefa io fiara clio io ka naratra ilay mpamily izay nandeha irery no sady efa nahazoazo taona. Potika ihany koa ilay fiarakely nentiny raha ny lohan’ilay taxibe sprinter kosa no voa. Tombanana ho naharary moa ny mpamilin’ilay fiara clio kely ity na tratry ny torimaso fotsy, antony niteraka ny loza tahaka izao.
Pati
Legende : Tranga tahaka izany no nahatonga ity loza tety Ambodimita ity
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap