airtel

Fifamoivoizana

25-janv-2024

OLONA MIANAKA VOADONAN’NY MOTO

Maty tsy tra-drano ilay zazakely vao tapa-bolana

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo omaly maraina tany Ambohidrano Antsirabe I.

25-janv-2024

Ramatoa iray nitondra zaza niotra no nodomin’ny moto na kodiaran-droa tampoka izay marihina fa tsy Renin’ilay zaza. Niara-lavo tamin’ny tany izy mianaka vokatr’izany ka namoy ny ainy ilay zazakely tsy manan-tsiny raha naratra mafy kosa ilay Ramatoa nitondra azy izay anabavin-dRainy ary efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly. Vao tapa-bolana monja moa ity zazakely ity raha araka ny vaovao azo. Mafy loatra anefa ny dona nahazo mianaka ka tsy nahazaka izany ilay tsy manan-tsiny. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny raharaha koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay zaza sy ilay Ramatoa !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap