mpamily na koa ireo mpitondra kodiaran-droa mivoaka rehefa faran’ny manomboka izao . Hisorohana ny aina mety hafoy sy ny ratra ateraky ny lozam-pifamoivoizana no anton’izany izay marihina fa tena mirongatra sy mahazo vahana tokoa eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Idiana violon avy hatrany ohatra ireo mpamily ahitana tahan’alikaola mihoatra lavitry ny 0,4 g isaky ny litatra. Miala avy hatrany eo ambony familiana kosa ary mitady mpamily hafa arahin’ny fahazoana taratasy fiantsoana any amin’ny mpitandro ny filaminana ireo ahitana tahan’alikaola mihoatra ny 0,4g isaky ny litatra. Ho an’ireo manakaiky io fatra io kosa ny tahan’alikaola hita ao aminy dia mijanona avy hatrany ny fiara sy ny moto entiny raha mahazo fampitandremana ireo ahitana tahan’alikaola latsaky ny 0,4 g isaky ny litatra. Tsiahivina moa fa nitontaly 117 isa ireo mpamily fiara nanaovana fitiliana tahan'alikaola tamin'ny alin'ny zoma 13 sy ny sabotsy 14 Septambra lasa teo, tao anatin'ilay Opération coup de point. Ny 07%-n'ireo nahitana tahan’ny alikaola tao anatin’ny vatany. Ny 93% kosa tsy nisotro zava-pisotro mahamamo. Nahatratra 151 kosa ny isan’ireo mpamily kodiaran-droa nanaovana fitiliana tahan'alikaola ka ny 92% tamin'ireo tsy nisotro zava-pisotro mahamamo raha nahitana tahan’ alikaola tao anatin’ny vatany kosa ny 8%. Ireo mpitondra araka izany no tena misotro toaka raha io salan’isa io no jerena.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay fitiliana ny tahan’alikaola hatao amin’ireo mpamily fiara na mpitondra moto !
Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika
An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE