airtel

Fifamoivoizana

19-avril-2022

Fifamoivoizana

Paska nosembanin-drahona 6 no maty navadiky ny lakana tany Betafo

Sample post image

Nosembanin-drahona ny alatsinain'ny paska tany Betafo omaly. Nisehoana loza mantsy tao amin'ny farihin'i Tatamarinana.

19-avril-2022

Lakana nitondra mpitsangatsangana fa fety ny andro no tra-doza. Tena nanao taingim-be na "surcharge" ny mpanamory koa dia nihilana ny lakana izay tsy nisy lisitr'ireo olona nandeha, raha ny fanamarihana azo tamin'ny manampahefana. Rehefa natao ny fikarohana dia olona16 no indray fefika. Zaza 2 no namoy ny ainy, hita faty ny tolakandro, ary niampy olona roa hafa ny takariva. Efa nadiva ho alina mihitsy kosa no hita ny razana 2 farany, ka nampiakatra ny isan’ny namoy ny ainy ho 6. Marihana fa isan’ny namoy ny ainy ny mpitondra ny lakana, ary tahaka izany ihany koa ny zana-drahalahiny. 10 kosa ireo avotra soamantsara, nalefa notsaboina ao amin' ny hopitalin'i Betafo avy hatrany ireo izay tena mila vonjy. Matetika no isehoana loza tahaka izao eny amin’ny toeram-pitsangantsanganana ahitana rano, ka tokony hanao ireny « gilet de sauvetage » na akanjo tsy mampiletika ireny hatrany ny mpandeha sy ny mpanamory ny lakana mba ho fiarovana ny ain’olona, ary tokony halavirina ny fanaovana taingim-be.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap