faharoa iny. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany pastera Heritiana Randriarimalala ka nambarany fa tokony ho vahaolana hahafahana manarina ireny lalana simba ireny vonjimaika aloha indrindra fa ireo mbola kelikely mba tsy hihitatrabe ny fanomezana andraikitra ny kaominina eny ifotony. Tsy ilana volabe angamba izany hoy isy fa avy hatrany dia hatao rarivato izay simba. Ny kaominina no tohanan’ny fanjakana amin’izay fotoana izay hoy izy ka sady hahazo asa ireo tanora ao amin’ilay toerana no ho vita ihany koa ny lalana. Notsiahiviny mantsy fa tena lalan-dran’ny firenena ny lalana. Rehefa ny lalana no simba hoy izy dia tsy misy zava-banona intsony. Sady manjaka mantsy ny tsy fandriampahalemana no lany fotoana eny am-pandehanana ihany koa ny olona ankoatra ny fahapotehan’ny fitaovam-pitaterana toy ny fiara. Tena miaina sy mahita izany ny tenako hoy pastera Heritiana indrindra amin’izao fandehanako mitety faritra matetika izao.
Pati