airtel

Fifamoivoizana

21-mars-2022

Fifamoivoizana

Potika sy rava ny RN6 Vato fototra no notokanana fa ny asa aotra

Sample post image

Potika tanteraka ny ampahany maro amin’ny RN6 miainga eo Ambondromamy hatrany Antsiranana. Nofinofy sisa ny hatsaran-dàlana namboarin’ny fitondrana Ravalomanana niainga avy eo Ambondromamy.

21-mars-2022

 Taraiky eo Antsatramanera (anelanelan'Ambondromamy sy Mampikony) ireo fiara vaventy mpitatitra entna hihazo ireo faritra any amin'ny tapany avaratry ny nosy. Mihitsoka tanteraka ny fifamoivoizana. Voalaza fa hanomboka ny fanamboarana ny lalana ao Mahilaka, 25 km miala an’Ambanja, amin’ny RN6. Tapaka efa tsy azon’ny fiara nandehanana intsony ity lalana ity noho ny faharatsiany, indrindra tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Efa ny 10 septambra 2021 no nanaovana hetsika nipoapoaka fa hamboarina ny lalana mirefy 233km, ao anatin'ny lalam-pirenena faha-6 izaynnampikaikaika ny vahoaka an-taonany maro. Tsy nisy fanamboarana izany RN6 mampitohy an'i Ambanja sy Antsiranana izany tao anatin'ny 40 taona, hoy ny Fanjakana Rajoelina izay nitokana vato fototra fanombohan’ny asa tamin’io septambra 2021 io. Ny Filoha sy ny Praiminisitra mihitsy no tonga taty Antsiranana nametraka izany vatofototra izany ary koa nijery ny fanombohan'ny asa. "Amboarina atao « goudron» manontolo ny lalana RN6 mampitohy an'i Ambanja-Diego fa tsy hoe atao « Tip top » hoy Rajoelina. Aiza ho aiza ny fahavitan’izany izao fa ny vato fototra aloha no efa notokanana? Manao ahoana ihany koa ny ampahany sasany? Ny kisehoseho ivelany hatrany aloha no betsaka hatreto ka asa mbola miandry propagandy indray ve vao hampantena indray fa rehefa lany fanindroany vao tena hanao ny asa ? Minia mikipy sa tena tsy mahita ny zava-misy ? Sa kosa mitohy ny politikan’ny « valala tsy an-tànana atolo-jaza » ka ny fampantenana no lasa aloha fa ny hoenti-manana mbola baraingo ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap