Madagascar Airlines ho Tale jeneralin'ity kaompakiam-pitaterana anabakabaka ity i Rado Rabarilala. Mpanamory ity farany ary tsy mba isan'ireo nandao an'i Madagasikara raha nandalo fotoan-tsarotra ny Air Madagascar niasany. Sendikalista nafana fo, nijoro hatrany niaro ity kaompania nasionaly ity i Rado Rabarilala niaraka tamin'ny mpanamory hafa sy mpikojakoja fiaramanidina. Nisy efa-dahy izy ireo no voaroaka noho ny fiarovana ny orinasa, tapaka karama nandritra ny volana maro ary voarohirohy ara-pitsarana mihitsy, folo taona lasa izay. Nanao angaredona niaro azy ireo ireo sendika amampolony maro, izay nandrahona hampikatso ny asa aman-draharaha raha tsy avotsotra izy efa-dahy. Nahomby ny tolona nataon'izy ireo, ka nahazo fahafahana vonjimaika ry Rado Rabarilala efa-dahy. Tsy nihemotra tamin'izay efa nijoroany izy ireo. Nandeha teny moa ny fotoana, niverina mpanamory izy dia izao voatendry ho Tale jeneralin'ny Madagascar Airlines izao.
Jean D.