airtel

Fifamoivoizana

27-août-2021

Fifamoivoizana

Raharaha “taxi-moto” Mifanitrikitrika I Naina A sy Clémence R

Sample post image

Adihevitra tato ho ato ny raharaha “Taxi-moto” eto an-dRenivohitra izay handalo fandinihana amin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny mpanolontsaina monisipaly ny 30-31 aogositra izao.

27-août-2021

 “1200 isika taxi no nanangona sonia ary nandefa izany tany amin’ny ben’ny tanàna mba hanafoanana ny taxi-moto. Felaka mandrivorivo anefa no omeny antsika satria dia alefan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo hankatoavinay mpanolontsaina amin’ny fivorianay ny alatsinainy sy ny talata izao ny fanomezana alalana ny taxi-moto”, hoy Rtoa Clémence Raharinirina, Mpanolontsain’ny tanàna no sady Filohan’ny Fikambanan’ny Taxi na ny FTAR ny alarobia hariva teo. Omaly namaly an’io ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. “Hamafisiko fa tsy manana tanjona hanome alalana ny taxi-moto ny tenako ankehitriny, fa misy amin'ireo Mpanolon-tsaina monisipaly mampiasa io resaka io amin'ny politika. Noho izany, tonga ny fotoana tokony hanehoan'izy ireo ampahabemaso ny tena heviny. Na mandrara izy ireo, dia hajaiko ny fanapahan-kevitra. Na izy ireo manaiky ny hanome alalana, dia hanomana ireo lalàna sy fepetra rehetra aho. Aroloha, "assurance", arovava orona, ireo karatra sy fandoavan-ketra. Adidintsika ny miaro ireo vahoaka izay hampiasa io fomba fitaterana vaovao io. Fa tsy misy antony tokony hampikorotana sy hanaovana resabe mialohan'ny Filankevitra Monisipaly izay heveriko ho ara-demokratika”, hoy I Naina Andriantsitohaina. “Aza dia mba mihevitra anay ho bado re Atoa Ben'ny Tanàna an! Ianao no mamolavola ny lahadinika aroso hodinihinay mpanolotsaina ho an'ny alatsinainy sy talata izao. Ao anatin'ny lahadinika ao amin’ny taratasy fiaikana na “convocation” teboka fahadimy ny hoe: “Autorisation afférente aux taxis-moto”, hoy kosa ny valin-kafatr’I Cléménce Raharinirina. Ka raha ianao no mamolavola ny lahadinika inona izany no andrasanao aminay mpanolotsaina ? Matoa io misy lahadinika mazava dia misy dosie mazava miaraka aminy. Aza fitahana re ny vahoaka, ny tianao tenenina amin’io resakao io raha fintinina dia hoe tompon-kevitra aho fa tsy mpanapa-kevitra. Dia raha lany io dia atsipinao aty aminay mpanolotsaina ny rihitra. Efa diso fantatry ny mponin’Antananarivo anefa ny “vote secret” na ny latsa-bato miafina takian'ny mpanolotsaina IRK isaky ny misy fivorian'ny mpanolotsaina ka izay rehetra aroso dia lany vao “vote secret”. Atsaharo azafady ilay lazaina foana fa misy ambadika politika fa ianao io aza tsy tonga teo amin'ny toeranao raha tsy notohanan'ny taxi dia fandatsahana ny fanomezan-dalana ny taxi-moto izay tsy eken'ny taxi ve no mba setriny?”, hoy hatrany I Clémence Raharinirina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap