airtel

Fifamoivoizana

03-mai-2024

Ravinala Airports

Tsy niova ny tamberim-bidy

Sample post image

Tsy niova ny tamberim-bidy raisin’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Ravinala Airports

03-mai-2024

isaky ny mpandeha miainga avy ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy be, raha ny fanazavana voaray omaly. 22 Euros, isaky ny tapakila mandroso sy miverina io tamberim-bidy io ho an'ny sidina anatiny. 55 Euros, isaky ny tapakila kosa izany ho an'ny sidina iraisampirenena ary 52 Euros ho an'ny sidina mankany amin'ireo faritra anatin'ny ranomasimbe Indianina. Azon'ny Ravinala atao ny mampiakatra ireo arakaraky ny fiakaram-bidy misy fa nitazona izay napetraky ny ACM na «Aviation Civile de Madagascar» tamin'ny 2016 ny kaompania. Tsy niakatra mihitsy, noho izany, ny tamberim-bidy noraisiny fa dia nisy fiakaram-bidy 38,5% aza tato anatin'ny 5 taona. Niakatra daholo anefa ny tamberim-bidin'ny seranam-piara manidina isaky ny tapakila miala avy eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Lehilahy lehibe iray manodidina 60 taona eo ho eo no fantatra fa nilatsaka tany anaty

Card image cap
16-janv-2025

Mandany iray andro mahery ireo mpitatitra amin’ny fanomanana ny fiara sy ny pitsopitsony rehetra

Card image cap