airtel

Fifamoivoizana

07-nov-2025

Resaka fanafoanana ny polisy eny amin’ny lalana

Raikitra ny fanararaotan’ny fiara fitateram-bahoaka

Sample post image

Raikitra ny fanararaotan’ny fiara

07-nov-2025

fitateram-bahoaka na ireo taksibe, raha ny hita teto Antananarivo renivohitra, omaly manoloana ity resaka fanafoanana ny polisy eny amin’ny lalana na «police de la route» nanakoako hatramin’ny 5 novambra teo ity. Nanao izay danin’ny kibony ny ankamaroany tamin’ny fanaovana taingimbe sy ny fananganana ireo mpandeha. Saika tsy nampiasa intsony ireo seza eo afovoany ny ankamaroany tamin’ny ankapobeny. Azo inoana fa nitombo be kosa aloha tao anatin’izany ny vola niditra ho azy ireo ary azo heverina ho lafin-tsarany ihany koa ny hoe nihena ny fisisihana tafahoatra teny amin’ireo toeram-piantsonana, izay matetika fototry ny harom-paosy sy asa ratsin’ireo tontakely isan-karazany ary nihena ihany koa ny fahataràn’ireo namonjy toeram-piasàna na toeram-podiana. Heverina kosa nefa, etsy ankilan’izay, fa nitombo ny risika amin’ny mety hitrangan’ny loza eny an-dalana noho izay fanararaotana taingim-be tafahoatra izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Mampijaly mpandeha, andrasana ny fanaraha-maso hentitra

Card image cap
05-déc-2025

Mitaky fanovana sy mangarahara, manome 72ora ! »

Card image cap
04-déc-2025

Efa miditra amin’ny dingana farany

Card image cap
04-déc-2025

Nampikaikaika ny mpampiasa lalana

Card image cap
04-déc-2025

Manamafy ny fanabeazana hisorohana ny lozam-pifamoivoizana

Card image cap