airtel

Fifamoivoizana

14-oct-2026

RN10 :

FIARABE MPITATITRA ENTANA NIVADIKA

Sample post image

Olona 2 maty tsy tra-drano,

14-oct-2026

7 hafa naratra mafy
Nitrangàna lozam- pifamoivoizana namoizana ain'olona indray tany amin'ny lalam-pirenena faha-10 Vatolatsaky afak’omaly Alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 06 mahery teo ho eo. Kamiao mpitondra entana avy any Ilakaka hihazo an'i Lazarivo Distrikan'i Betioky no tra-doza tamin’izany izay sady nitondra olona ihany koa. Tsy azo hatao anefa izany ary tsy tokony hoataon’ireo fiara lehibe mpitatitra entana mihitsy. Olona miisa 2 vokatr’izany no namoy ny ainy teo no ho eo raha niisa 7 kosa ireo naratra mafy ka tsy maintsy nentina notsaboina. Tao aoriana ny ankamaroan’izy ireo no nipetraka. Efa tonga nijery ny zava-misy ireo manam-pahefana any an-toerana koa andrasana ny fanampim-baovao ofisialy mikasika ity tranga ity. Vaovao farany azo omaly hariva ny fahafantarana fa efa notazonina hatao fanadihadiana ilay mpamily raha efa alevina anio kosa ny razana, izay efa samy tonga eo am-pelatanan’ny fianakaviany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiarabe sy ireo entana tao anatiny ankoatra ireo aina nafoy !
 

Dans la même rubrique

14-oct-2026

7 maty, maro ny naratra

Card image cap
12-oct-2026

ireo tsy ara-dalàna

Card image cap