Nisehoana loza mahatsiravina teo Antsapazana PK 105+600, efa mivoaka an'i Moramanga hiazo an’Antananarivo io omaly io, tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany. Fiarabe iray no nisongona fiara be hafa, ka nifaoka an'ilay taksibrosy an’ny zotra Ravinala mampitohy an’i Toamasina-Mahajanga hifanojo aminy, araka ny voalazan'ny manampahefana avy any an-toerana, notaterin’ny fampahalalam-baovao. Avy any Toamasina ilay taksibrosy laharana 7433 TCE, raha hifanena aminy kosa ilay fiara be camion laharana 0383 MF. Araka ny tatitra ofisialy, mpandeha 7 (3 lehilahy, 4 vehivavy) no namoy ny ainy fa tsy 9 na 11, araka ny vaovao niparitaka. Ny 6 tamin'ireo no maty tsy tra-drano, raha nodimandry tao amin'ny hopitaly kosa ny iray. Ankoatra ireo, mpandeha 4 naratra mafy (3 lehilahy, 1 vehivavy), ka manaraka fitsaboana. Potika tanteraka ilay taksibrosy, nifampisintonana ireo maty sy naratra,... Voatazona hatao fanadihadiana ny mpamilin'ilay fiara be. Tsy resaka fanenjehana na fankahalana sanatria fa hatry ny ela no mampitaraina ny mpampisa ny RN2 ny setrasetran’ireo fiara be kamio sémi-remorque sasany. Ranolava ny loza mahatsiravina amin’ny RN2. Vao herinandro lasa tano Andasibe no nisy fiara be izay nijanona teny ambony, ka lasa nitsotsorika nifaoka sprinter nijanona nisakafo teo amin’ny hotely. Fiara kely iray ihany koa no nijanona tao aorian’ilay Sprinter. Vokany, olona 3 tao anatin’ilay Sprinter, izay tsy nisakafo fa nijanona tao anaty fiara, no naratra ka nalefa tany amin’ny hopitaly. Ampahany io fa mila ho isan’andro ny loza mitranga amin’ity lalàm-pirenena isan’ny be mpampiasa indrindra eto amintsika ity.
Toky R