airtel

Fifamoivoizana

07-juil-2022

Fifamoivoizana

RN2-Lozam-pifamoivoizana Namoy ny ainy ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja

Sample post image

Niharan-doza ka namoy ny ainy omaly takariva ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja (DGAP) Atoa Iramanjafinimalo Omega Rafaly.

07-juil-2022

Tra-doza any amin’ny làlam-pirnena faharoa, teo amin’ny « PK 53 » miala an’i Brickaville ny fiara tsy mataho-dàlana takelaka mena nentiny, io omaly hariva io tokony tamin’ny 6 ora sy sasany. Izy sy ny mpamily ihany no tao anatin’ny fiara, teo amin’ny fokontany Ambodivanika kaominina Ambinaninony distrikan’i Brickaville no nivarina ny fiara nitondra azy ireo. Raha ny ambangovangom-baovao, nivadika tao anaty fiolanan-dalana ka namoy ny ainy vokatr’izany ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja. Tsy afaka nialana nenina intsony ity tompon’andraikitra ambony ity vokatry ny vahavoazany. Ilay mpamily kosa naratra nentina any amin’ny hopitaly CSBII Ampasamadinika. Voalaza fa voadona mafy ny lohan’io mpamily io, ary mbola nisy aina ihany izy izao nentina tsaboina izao . Ilay Tale jeneraly kosa tsy nisy azo nialana nenina vokatr’izany loza izany. Tsara no mampahatsiahy fa ny 21 janoary 2022 izy no nandray io andraikitra io izy, fa ny 25 febroary 2022 kosa no notanterahina teny amin’ny CCI Ivato ny lanonana oisialy ara-miaramila famindram-pibaikoana amin’ny maha Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja manerana an’i Madagasikara azy. Izy no Tale Jeneraly faha-7 teo amin’ny tantaran’ny fandraharahana ny fonja. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo sy ny fianakaviamben’ny fandraharahana ny fonja sy ny Minisiteran’ny fitsarana isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

Dans la même rubrique