airtel

Fifamoivoizana

28-janv-2025

RN2

Taksibrosy nifandona tamin’ny « 4x4 » nivarina tany anaty rano

Sample post image

Taksibrosy iray sy fiara tsy mataho-dalana 4×4 iray no fantatra fa nifandona afak’omaly Alahady 26 Janoary

28-janv-2025

tany Beforona lalam-pirenena faha-2. Nivarina tany anaty rano vokatr’izany ilay taksibrosy ka nisy tamin’ireo mpandeha tao anatiny no naratra. Antony nahatonga ny loza ny fisian’ny lavaka eo amin'ny fiviliana miala ny tanànan'i Beforona, hoy ny vaovao azo. Niala izany lavaka izany ny iray tamin'ireo fiara, antony nahatonga ny loza. Mbola ahiana hanimba fiara sy hamono ary handratra olona maro araka izany io lavaka io raha tsy misy ny asa fanamboarana hataon’ny tompon’andraikitra. Efa amam-bolana maro moa no nisian’io lavaka io hoy hatrany ny vaovao saingy tsy mbola nisy hatreto ny asa fanamboarana.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay taksibrosy!
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Na hianavaratra, na hianatsimo, na hiankandrefana na hiantsinanana,

Card image cap
12-juin-2025

Ho tapaka tanteraka mandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RNP 2),

Card image cap