airtel

Fifamoivoizana

29-juil-2021

Fifamoivoizana

RN4-Loza mahatsiravina 6 indray namoy ny ainy teny Andranovelona

Sample post image

Fiara marika sprinter ao anatin’ny koperativa mampitohy an’I Mahajanga amin’ny làlam-pirenena faha-4 iny no tra-doza omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora maraina.

29-juil-2021

 Olona 3 no voalaza fa namoy ny ainy vokatr’izany. Ny takariva, tafiakatra 6 ireo namoy ny ainy, raha ny vaovao farany azo. Zaza ny roa tamin'ireo namoy ny ainy ireo. Fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka nivadibadika teny ankavian-dalana ny fiara araka ny nambaran'ny Kapiteny Raoelison, komandin'ny zandarimariam-pirenena Ankazobe. Tsaboina eny amin'ny hopitaly Ankazobe ireo naratra. Matetika no hitrangana loza mahatsiravina any amin’iny RN4 iny sy ny làlam-pirenena maro. Ilaina hatrany mitandrina, indrindra amin’izao vanim-potoana fialan-tsasatra mahabetsaka ny mpandeha izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap