Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Colonel Randrianirina Michael, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana sy ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, ho fanohizana ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-41 mampitohy an’Ikelikapona sy Fandriana.
42 km - 54 MILIARA Ariary
Lalana mirefy 42 km ity hatsaraina ity, izay efa simba nandritra ny taona maro ka nampitaraina ny mpampiasa lalana, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra. Araka ny fanazavana natao, ny asa dia tanterahin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy miaraka amin’ny orinasa ECH BTP, ao anatin’ilay programa vaovao antsoina hoe MROR na “Marché Routier à Obligation de Résultats”, Tafiditra ao anatin’ny programa PMCI vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola mitentina 54 miliara ariary ity tetikasa ity, aharitra enim-bolana ny asa ary 30 volana ny fikojakojana azy ataon’ny orinasa. Nandritra ny fitsidihana dia nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana fa ezaka lehibe ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy izao asa fanarenana lalana izao, sady manaporofo ihany koa fa mahavita asa tsara ny orinasa Malagasy.
FANANDRATANA NY SOATOAVINA MALAGASY
Marihina fa ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Fandriana, Andriamiharivolamena Zavamanitra, dia nitarika ihany koa ny VELATSIHY, fomba Betsileo entina manandratra ny soatoavina Malagasy sy ho fanajana ny ray aman-dreny ary ny vahiny manan-kaja. Nanehoana ny firaisam-po tamin’ny vahoakan’ny Distrikan’i Fandriana izany, tao anatin’ny hafatra hoe : « iray fo, iray vatsy ary iray aina ». Nisy ihany koa ny fitokanana ny CSB2 izay nataon’izy ireo ary fitokanana lalana vita amin’ny rarivato mirefy 40 km mampitohy kaominina 5 ao anatin’ny Distrikan’i Fandriana, izay novatsian’ny FIDA vola ary nataon’ny programa DEFIS sy OIT. Raha tsahivina dia efa an-taonany maro no tsy nisy Filoha am’perinasa nitsidika toy izao ny Distrikan’i Fandriana ka dia naneno ny hafaliany sy ny fankasitrahany ny vahoakan’i Fandriana.
Nangonin'i RTT