airtel

Fifamoivoizana

17-janv-2022

Fifamoivoizana

RN44-Taksibrosy tra-doza Mpandeha 3 indray namoy ny ainy

Sample post image

Fiara taksiborosy marika Sprinter mitondra ny laharana 9507 AH, zotra rejionaly mampitohy an'Ambatondrazaka sy Amparafaravola no niharan-doza teo Andilapotsy, 5 Km miala an'Ambatondrazaka omaly alahady 16 janoary 2022

17-janv-2022

 atoandro. Olona 3 no maty tsy tra-drano, ary maro ireo maratra naiditra hopitaly. Raha ny vaovao farany azo omaly takariva moa, dia vehivavy ny roa tamin’ireo namoy ny ainy izay maty teo noho eo, ary lehilahy iray kosa namoy ny ainy tao amin'ny hopitalin 'Ambatondrazaka vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ary mpandeha 07 hafa no naratra mafy vokatr’ity loza mahatsiravina ity. Araka ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Raha ny fahitana ny sary, dia nisy tamin’ny mpandeha no niezaka nanavotra aina kinanjo vao mainka voatsindrin’ilay fiara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap
19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap