airtel

Fifamoivoizana

29-juin-2021

Fifamoivoizana

Rocade d’Iarivo Maro sahady ireo mandika lalàna

Sample post image

Taorian'ny fisokafan'ny lalam-baovao "Rocade d’Iarivo" nanomboka ny 24 jona teo dia efa marobe sahady ireo mpampiasa lalana tsy manara-dalàna ka mety hitarika hatrany amin'ny lozam-pifamoivoizana .

29-juin-2021

 

 Nidina teny an-toerana ny polisy nanao fampianarana ireo mpampiasa lalana manoloana izany.Nasaina nanaraka ny lalana natokana ho an'ny bisikileta ireo mpitondra izany fa tsy ho any amin'ny arabe.Ireo fiara mipetraka amoron-dalana mijanona mivarotra sy misotrosotro kosa dia tsy nisy navela nijanona teo fa avy hatrany dia nalefa nandeha avokoa. Ireo mpandeha an-tongotra kosa dia nentanina tsy hanao maloto sy hanary fako eny amin’ny manodidina fa hanaja hatrany ny fahadiovana. Izany no natao dia hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga sy fampianarana ny mpampiasa lalana hanara-dalàna. Tsy nisy aloha ny fanasaziana fa fanentanana no natao omaly. Tsara ho marihana fa lalana no eny amin’ny Rocade d’Iarivo fa tsy toerana fitsangatsanganana na Parc d’attraction ka tokony samy ho tonga saina ny rehetra hoe natao hifamoivoizana izy ity fa tsy natao itoerana maharitra.
Pati
 

Dans la même rubrique