airtel

Fifamoivoizana

25-mars-2021

Fifamoivoizana

Sakana ara-pahasalamana Hentitra ny fanaraha-maso ny RN4

Sample post image

Nisy ireo fepetra manokana vaovao nentin'ny CRCO Mahajanga hiadiavana sy hisorohona ny fianaky ny valanaretina Coronavirus nanomboka tamin’ity

25-mars-2021

 

 

 herinandro ity. Niroso tamin'ny fanatanterahana izany ireo Mpitandro filaminana sy ny Mpiasan'ny fahasalamana nanomboka ny 23 martsa ka kasaina hifarana ny 06 aprily 2021. Efa mipetraka sy miasa ny sakana ara-pahasalamana sy ara-piarovana najoro eny amin'ny lalam-pirenena faha 4, eo Madiromasy/Tsaramandroso, distrika Ambatoboeny, PK 412+800 sy eo amin'ny sampanana Anjiajia/ Tanandava distrika Ambatoboeny, PK 435. Ny ao antampon-tanànan'i Mahajanga rahateo dia efa miroso amin'ny fampiharana ny fepetra rehetra. Ny vonjy aina ara-pahasalamana sy ny entam-barotra ihany no afaka mandingana ireo sakana ireo. Entanina ny rehetra mba hanaja izany fepetra izany ho fifampiarovana ary mirary soa ho an'i Mahajanga sy Nosy-be, hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap