airtel

Fifamoivoizana

01-oct-2026

Sambo kely rendrika tao

Morondava Avotra ireo olona 24 tao anatiny

Sample post image

Tefotefo na sambo madinika misy

01-oct-2026

motera iray mitondra anarana "Nely Longo I", laharana MD 25035, no rendrika teo amin'ny vavaranon'i Morondava ny Alarobia 30 septambra 2026 tokony ho tamin'ny 08 ora maraina raha hiditra seranan-tsambon'i Morondava. Niainga tany Maintirano ny marainan'ny ny Alatsinainy 28 Septambra 2026 io sambo io. Miisa 24 ny olona tao anatiny, , tantsambo ny 05 ary mpandeha ny 19 ka vehivavy ny 3. 06 taona ny zandriny indrindra ary 69 taona no zokiny indrindra tamin'ireo mpandeha. Tsy nitondra entam-barotra io tefotefo io fa mpandeha sy ny entan-kelin'izy ireo ihany. Avotra soa aman-tsara avokoa izy 24 mianaka noho ny famonjena haingana nataon'ny Fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Nentina tao amin'ny hopitaly be Namahora Morondava ireo mila fanaraha-maso ara-pahasalamana, saingy tsy misy atahorana ny amin'izy ireo.
NANITATRA DIA
Nahazo alalana hivoaka ny seranan-tsambon'i Maintirano io sambo kely io raha ny fanazavana azo avy amin'ny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomamy sy an-dranomasina na APMF Morondava saingy hatrany Benjavily Kaominina Masoarivo, Distrika Antsalova ihany no tokony halehany noho ny toetr'andro ratsy, kanefa nanitatra ny diany hatrao Morondava ihany. Notarihin'ny sambon'ny APMF Morondava nakao amin'ny seranan-tsambon'i Morondava ilay tefotefo taorian'ny fanavotana azy 24 mianaka tao anatiny. Mitohy ny fanadihadiana.
Nangonin'i Jean D.
Fanavotana ireo mpandeha tao anaty tefotefo
 

Dans la même rubrique