airtel

Fifamoivoizana

25-mars-2022

Fifamoivoizana

Saofera nanompa sy tsy nanaja olona Mety hosintonina ny “pérmis” sy ny “capacité”

Sample post image

Nampanantsoina ary efa eo ampelatanan'ny ATT ny taratasy fahazoan-dalana hamily na "pérmis" sy ny "capacité". Ho atolotra ny CRPC na « Commission de retrait des pérmis de conduire »

25-mars-2022

 ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka sy ny mpamily mpanampy niaraka taminy, hoy omaly ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra mikasika ireo mpitatitra nahatongavana fitarainana ho nanao adisoana. Taorian'ny fanehoan-kevitra na “publication” izay nataony dia nasaina hitoroka mivantana ny niharan'ny ompa sy tsy fanajana ary ny tsy fanarahana bokin'andraikitra nataon'ity fiara fitateram-bahoaka ity. Noho ny fiaraha-miasan'ny zandary sy polisy dia ny Police Centrale Antsirabe no nisahana azy. Averina hatrany fa asam-bahoaka ny asa fitaterana, hoy ireo mpitandro filaminana. Hajao sy araho ny toromarika rehetra sy ny lalanan'ny asanao. Tsy hisy fatiantoka ho an'ny rehetra, na ny mpanjifa na ny mpitatitra. Ho antsika mpandeha, Eo amin'ny “arrêt” re tompoko no manakana sy midina fa mba te hikarama ireo mpitatitra nefa ho voasazy raha mijanona amin'ny toerana tsy tokony ijanonany. Rehefa feno ny fiara dia aoka hiandry manaraka. Ny ATT moa dia miara-miasa hatrany amin'ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena amin'ny fampanarahan-dalàna ny mpitatitra ary miara-mandray andraikitra eo am-piandrasana vahaolana iombonana amin'ny mpitatitra sy ny vahoaka, hoy hatrany ny hafatra sy fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique