airtel

Fifamoivoizana

20-avril-2022

Fifamoivoizana

Tahiana Razanamahefa “Aleo foanana ny fitiliana PCR”

Sample post image

Tsy afa-miala amin’ny sehatry ny fitaterana izahay aty amin’ny sehatry ny fizahantany, hoy ny mpandraharaha, Tahiana zanamahefa.

20-avril-2022

Araka ny nambaran’ireo mpahaitoekarena sy ny hita sy tsapa amin’ny fiainana an-davan’andro dia isan’ny sehatra tena mampidi-bola ao anaty kitapom-bolam-panjakana ny fizahantany nefa sehatra tsy nisy nanampy nandritr’izay fotoana nisian’ny valanaretina Coronavirus izay, hoy izy. Sehatra iray avy dia nikatona tanteraka koa vao niditra teto ny Covid 19. Ny tany ivelany tany amin’ny 2021 tany dia efa nanomboka niverina tamin’ny fiainana an-davan’andro miandalana. Isika 2022 vao niheritreritra hoe ho sokafana tsikelikely ny sisintany, ny fahatongavan’ny kaompaniam-pitaterana, ny fahatongavan’ny mpizahantany, ny fahatongavan’ireo mpamatsy vola avy any ivelany ho eto Madagasikara hanodina indray ny toekarena eto amintsika. Miverina tsikelikely moa ilay izy amin’izao ary tamin’ny Paska teo isika izao dia efa nahita hoe nisy ny kaompaniam-pitaterana avy any ivelany tonga dia nanao ny sidina mivantana avy any ivelany mankany Nosy be ary nitondra koa ireo mpampiasa vola avy any ivelany ho eto Madagasikara. Efa dingana lehibe no vita tao anatin’izay nefa tokony hisy fepetra manaraka an’izay na “mesure d’accompagnement”, hoy isika. Ny fisokafan’ny sisintany toy io dia teboka iray iverenan’ny fizahantany fa teboka iray koa odian’ireo Malagasy avy any ivelany ho eto an-tanindrazana. Lafo be teo ny saran’ny sidina ary midina tsikelikely izy izao. Hiaraha-mahita koa io ny ady eo amin’I Rosia sy Okrainina. Misy fiantraikany goavana amin’ny fitaterana izany ary amin’ny fiakaran’ny vidin’entana eo amin’ny fiainana an-davanandro koa ka ilana ilay fepetra mifanaraka aminy voalaza teo mba tsy ho difotra indray isika amin’izao fotoana tokony hanarenana toekarena izao. Sokafy ho an’ny sidina rehetra ny habakabaka, izany hoe ataovy ny “Open sky” dia manena ny saran’ny sidina isika. Ny fitandremana toy ny fanaovana arotava amin’ny toerana be olona tohizana hatrany. Toy izany koa ny fanentanana hanao vakisiny satria efa tsy maintsy iaraha-miaina io. Mangataka koa izahay aty amin’ny sehatry ny fizahantany hoe aleo mba ho foanana ny fanaovana fitiliana PCR ho an’ireo tonga avy any ivelany satria matoa ireo tonga eto dia vita vakisiny ny 98%n’ireo. Aleo TDR dia ampy satria 10 minitra iny dia mivaly, hoy hatrany ity mpandraharaha ity.

J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap