airtel

Fifamoivoizana

21-juil-2022

Fifamoivoizana

Taingimbe amin'ny moto Ho hentitra ny polisy manomboka izao

Sample post image

Hanasazy ireo olona tratra manao taingimbe amin'ny moto na kodiaran-droa ny polisy manomboka izao. Olona efa-mianaka,

21-juil-2022

nahitana mpivady niampy zaza roa omaly teto an-drenivohitra no voatery nosakanana ka nanaovana fanentanana sy nampahafantarina ny loza mety hahazo azy. Raha araka ny fantatra dia izy mivady no nanao aroloha fa ireo ankizy tsy nisy nanao. Fanampin'izay dia kely dia kely sisa ny toerana ho an'ilay Renim-pianakaviana tany amin'ny farany aoriana indrindra. Tsy sanatria filam-banony akory ny azy ireo hoy ny polisim-pirenena fa ho fiarovana ny ain'ny mpanjifa rehetra mihitsy. Tsy mora mantsy ny aina mety hafoy sy ny vola mety ho lany any amin'ny hopitaly hoy hatrany izy ireo raha sanatria ka misy loza miseho, ka tsy maintsy raisina ny andraikitra. Ankoatra ny fianakaviana toa azy efa-mianaka ireto moa dia tsy vitsy no manao taingimbe tahaka izao ihany koa ireo tanora sasany.
Pati
Legende : Izy efa-mianaka voatery nosakanana rehefa nanao taingimbe tamin'ny moto !
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap