nivadika sy nandratra ny mpandeha rehetra tao anatiny omaly hariva nanodidina ny tamin’ny 6 ora sy 20 minitra teo. Nitsoaka ilay mpamily, raha ny fampitam-baovao voaray tamin’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy teny amin’ireo hopitaly akaiky kosa ireo niharan-doza. Tsy vao sambany no nisiana tranga teo izao teo amin’io fanitsin’ny zaridainan’Ambohijatovo io vokatr’izay isatra tapaka izay fa dia niara-nahatsiaro ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa ny mpanara-baovao. Hatraiza ny fanaraha-mason’ireo tomponandraikitra manoloana ny tranga mateti-piseho toy itony? Tena notsaraina araka ny tokony ho izy ve ireo fiara mifamezivezy eto? J. Mirija
Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika
An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE