airtel

Fifamoivoizana

21-juil-2022

Fifamoivoizana

Taksibe eto Antananarivo Manizingizina hampihatra 700 sy 800Ar…

Sample post image

700Ar ny saran-dàlana tapaka ho an’ny Vondrona mpitatitra an-tanan-dehibe na UCTU, ka halefa any amin’ny Fanjakana ny fanapahan-kevitra,

21-juil-2022

hampiharina aorian’ny fanadinam-panjakana anio, raha ny tetiandrona novinavinain’izy ireo. Minizingizina hitazona ny azy ho 800Ar kosa ny FMA (Fitaterana mirindra ho an’Antananarivo). Naroso ny soso-kevitra 700Ar tsy lany, ny 600Ar notsipahin’ny mpitatitra 100%. Nilaza fa vonona hitazona ny 800Ar ary vonona hizaka ny sazy, toy ny “fourrière” sy ny fisintonana ny “licence”, ary ny fanaovana izany dia midika tsy fiasana sy fitokonana, hoy ireo eo anivon’ny FMA. Ny Filoham-pirenena nilaza am-bava ny 12 jolay fa 600Ar ny saran-dàlana taorian’ny dinika niarahana tamin’ny mpitatitra. Tsy misy taratasy maneho mazava fa ny tatitry ny dinika. Ny mpitatitra sasany nilaza fa tsy afa-po amin’izany fa 800Ar ka nampiakatra izany nanomboka 16 jolay. Ny kaominina nanenjana ny 18 jolay fa 600Ar ihany ary hampidirina « fourrière » sy hosintonina ny « licence » ho an’izay manao 800Ar, nanitrikitrika ny Minisitera fa tahaka ny didim-panjakana ny tenin’ny Filoha. Toherin’ny mpitatitra anefa izany ankehitriny ka hatraiza ny maha masin-teny sy to teny Filoha sy ny Fanjakana ? Nandeha indray ny dinika notarihin’ny Filoha tany an-dapa ny 19 jolay ka nolazaina fa mikasika ny saran-dàlana 600Ar io, saingy nilaza ny mpitatitra fa tsy olana amin'ny saran-dàlana 800 Ar sy 600 Ar no niantsoan'ny filoham-pirenena dinika, fa fampidirana "Bus" vaovao eto Antananarivo mitetina 92 tapitrisa Ar. Tetikasa efa tamin'ny 2013 izy io! Mikasa hampiditra "Bus" lehibe 500 hatramin'ny 1000 isa hampiasaina eto Antananarivo ny fitondrana, fiaraha-miasa amin'ny mpitatitra. Ny antsasany alohan’ny mpitatitra, ny antsasany an’ny mpitatitra. Ny olana misy aloha no tokony hovahana, hoy ireo mpitatitra, izay nilaza fa maro no voalaza fa tsy afa-po. Niporotsaka indray ny fanambarana fa 700Ar sy 800Ar. Na izany na tsy izany, misy ihany ireo mpanjifa naneho, fa io 700Ar io no antonony raha ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Ao kosa ny milaza fa tena havesatra ny fandaniana amin’ny saran-dàlana. Inona indray no holazain’ny Fanjakana?
TOY NY TANY TSY MISY FANJAKANA?
Toy ny tany tsy misy fanjakana intsony eto amintsika fa samy manao izay tiany hatao ny rehetra. Fanapahan-kevitra izany izay manakorontana saim-bahoaka no sady manorisory. Very fanahy mbola velona ny mpanjifa araka izany no sady manontany hoe : aiza marina ny ministeran'ny fitaterana sy ny filoha ? Mbola angady mahatapak’ahitra ihany ve? Tsy afaka nifampidinihana ve ny tena marimarimaritra iraisana fa samy manana ny ambarany na misy aza ny dinika isaky ny mihetsika? Ny fanjakana tsy mandray andraikitra na mandray saritsarin’andraikitra toa lasa fampiadiana ny vahoaka sy ny mpitatitra, ireo fivondronan'ny mpitatitra ihany mitranga mihemotra toy ny lelon-jaza.
Toky R sy Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap