airtel

Fifamoivoizana

29-janv-2026

Taksibe mihoam-pefy

Tapitra ny fandeferana, hanasazy ny polisy

Sample post image

Tsy hisy fandeferana ny fanaovana kolikoly,

29-janv-2026

na ho an’ireo mpamily taksibe na ho an’ireo polisim-pirenena, hoy ny teo anivon'ny ministeran'ny filaminam-bahoaka omaly. Nomarihin'izy ireo fa ho henjana ny sazy ho an’izay tratra mandika lalàna. Hisy fitsirihana tampoka hataon’ny tomponandraikitra ho fampiharana izany manomboka izao. Ny 27 janoary teo no nanao fanentanana sy fampianarana farany teto Antananarivo renivohitra ny mpitandro filaminana raha toa ka hiroso amin'ny fanasaziana amin'izay manomboka izao. Tapitra, araka izany, ny fandeferana ho an’ireo taksibe mihoam-pefy. Hanasazy ny polisy, hoy hatrany ny fampitàm-baovao.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

vokatry ny fandehanana mafy

Card image cap
21-mai-2026

Nahitana tombony amin'ny ampahany ny

Card image cap