Nilatsaka ny fanapahana ! Nomena 15 andro hifindrana eny Amoronankona ireo kaoperativa sy taksibrosy etsy amin'ny Fasan'ny Karana. Nivoitra io nandritra ny fihaonana tamin'ny mpitatitra, miasa eny an-toerana tamin'nny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, sy ireo delegasiona niaraka taminy, omaly alatsinainy 31 Aogositra 2026. Volaza fa efa ilain'ny tompon-tany eny amin'ny Fasan'ny Karàna amin'izay ny taniny, ka nisy ny fampahafantarana fa efa mihatra ny fifindran'ireo mpitatitra hiasa eny Amoronakona. Nomena 15 andro araka izany izy ireo hifindràna eny amin'io tobim-piantsonana io, izay iarahana amin'ny ATT (Agence des Transports Terrestres) ny momba ny pitsopitsony ara-teknika. Aorian'izay, hihatra ny sazy, ka ny quitus avy eny Amoronakona ihany no horaisina ho quitus ara-dalàna, raha ny fanazavana. Tsara ny mampahatsiahy fa natokana ho an'ny zotra ny RN2 sy RN7 ny Gara Amoronankona na zotra nasionaly io na rejionaly. Efa nisy ny famindrana nanomboka ny 24 jona 2026, ka kaoperativa miisa 80 no nilaza fa efa vonona. Tao ny tena nifindra, nisy ny niziriziry hijanona teny amin'ny Fasan'ny Karana. Ireo efa nifindra teny Amoronankona nihena tsikelikely. Tsiahivina fa efa 7 taona nipetra-potsiny ity fotodrafitrasa ity, izay nisy ny fifandirana tamin'ny orinasa sy mpandraharaha vahiny izay isan'ny nanohana ara-bola, nanangana toby fitsinjarana solika,... saingy amin'ny ankampobeny dia mahatratra 12 miliara Ar. Heverina fa ny famindrana ireo taksibrosy etsy amin'ny Fasan'ny Karana dia hampihena ny fitohanana miainga eny Andrefan'Ambohijanahary, Paraky, Akadimbahoaka,... Tahaka izany ihany koa ny eny Anosizato sy ny maro hafa.
Toky R