airtel

Fifamoivoizana

09-janv-2026

Tale Jeneralin’ny ACM

«Mitohy ny raharaha boeing 777 !

Sample post image

Misy mivoy fanakorontanana ato ! »

09-janv-2026

Tsy olona 10 fotsiny no voakasik’iny raharaha boeing 777 iny fa maro. 12 andro no nitantanana ny ACM, fa efa nisy ny fanadihadiana teo aloha, efa nisy olona nesorina tsy ho staff teo anivon’ny ACM, hoy ny Tale Jeneraly Faniry Alban Rakotoarisoa. Mitohy hatramin’izao ny fangatahana fanazavana rehetra mikasika iny afera boeing 777. Efa vaoray sy nampitaina ihany koa ny tatitra nalefa amin’ny Fitsarana, Minisitera, avy any amin’ireo fitaleavana isan-tokony, toy ny an’ny fitaleavana misahana ny fanaraha-maso ara-pilaminana, sy ny fitalevana misahana antoka na ny « sureté ». Nanipika moa ny Tale Jeneralin’ny ACM fa tsy mpitsara sady tsy mpanao fanadihadiana ny tenany, fa mandray ny andraikitra tandrify azy dia ny fikatsahana sy ny fitadiavana ny marina. « Mba tsy mety kosa raha olona tsy manan-tsiny no voatazona any am-ponja sy any am-pigadrana, fa ireo tompon’andraikitra dia miriaria mandehandeha ary milamin-tsaina ao anatin’izany ». Nilaza noho izany ity farany fa mandray ny andraikitra ireo sampan-draharaham-panjakana tsirairay avy mba hivoahan’ny marina. Mikasika ireo namana voatazona any am-ponja, mandeha ny fangatahana fahafahana vonjimaika raha ny ren’izy ireo, ka eny amin’ny Fitsarana no tokony hipetraka ny fanontaniana. Tsara moa no mampahatsiahy, fa nisy tamin’ireo olona nampidirina ho isan’ny voarohirohy tao anatin’ity raharaha Boeing 777 ity namoy ny ainy. Fanontaniana mipetraka kosa ny hoe : nanao ahoana ny mikasika ny Tale Jeneralin’ny ACM teo aloha ? Tena mbola any am-ponja ve ? Nanao ahoana ny mikasika ilay teratany karana nolazain’ny Jeneraly Ravalomanana Richard fa tsy fantany kanefa niaraka taminy teto hatrany ivelany ? Manao ahoana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Amerikanina ary ry zareo Maorisianina satria tafiditra ao anatin’io ihany koa i Mamy Ravatomanga raha raisina amin’ny lisitr’ireo orinasany giazana satria anatin’izany ilay Udaan potentials ldt nampiasaina tamin’ny fahazoan-dàlan’ireo fiaramanidina 5 nakany Iran? Nisy resaka fahazoana vola 5 tapitrisa dolara « commisssion » ho an’io mpandraharaha malaza io, fa nisy olona ambony hafa ihany koa voalaza fa nahazo ?

MISY MIVOY FANAKORONTANANA

Niresaka mikasika ny fisiana diplaoma hosoka misy manaparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera ihany koa ny Tale Jeneralin’ny ACM, ka nitsotra fa tompon’andraikitra feno amin’ny fanendrena ireo Tale 7, kanefa efa misy ihany koa ny fihaonana sy fifampiresahana, fijerena mazava,… mikasika ny filazana fa misy manana olana amin’ny fanaovana diplaoma hosoka. Tsy afenina fa misy ampahany mety ho vitsy, mety ho maro ao anatin’ny ACM mivoy fanakorontana ve ? Fanaratsiana ve ? Tsy afenina fa misy mivoy fanakorontanana raha ny nambarany. Mila manaiky ny besinimaro na anatin’ny ACM na ivelany na anatiny fa misy fanavaozana, ka ireo aloha ny Tale mitovy fijery heveriko fa hitondra ny iraka masina. Fanamby lehibe sy goavana no napetraka, ary anisan’ny manana ny fiandrianany ny ACM raha tsy hilaza afatsy ny fandriampahalemana sy ny antoka, ary ny fiandrianam-pirenena. Raha sanatria misy sazy azon’ny ACM dia tompon’andraikitra tanteraka ny tenako, na ekeko aza fa mety ny fitantanana teo aloha no mahatonga an’izany, kanefa matoa miditra an-tsehatra dia vonon-kandia ka tsy hanilika andraikitra, ary mila ireo Tale ireo izay itako fa vonona ho any amin’ny fanatsarana sy ny fanavaozana, hoy i Faniry Alban Rakotoarisoa, izay nanipika fa potika sy tena manala baraka ny fitotonganan’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka eto Madagasikara.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

09-févr-2026

Nataon’ny depiote Todisoa mpanao

Card image cap