airtel

Fifamoivoizana

05-avril-2022

Fifamoivoizana

Taxi be Maro ireo efa manao taingim-be

Sample post image

Efa tena maro ireo taxi be eto Antananarivo sy ny manodidina no iverina amin’ny fanaovana taingim-be indray.Tsy 4 intsony ny amin’ny seza fa lasa 5 milahatra, i

05-avril-2022

zany hoe misy ilay seza eo afovoany.Misy taxi be sasany aza dia efa sahy mitondra mpandeha mitsangana mihitsy.Amin’ny fotoana maha be olona , ny maraina amin’ny 6 ka hatramin’ny 7 ora sy sasany eo sy ny hariva manomboka amin’ny 5 ora sy sasany no tena ahitana io resaka taingim-be io. Marina fa hoe efa latsaka ambany be ny tarehimarika momba ny valanaretina Coronavirus eto Madagasikara, saingy mbola eto ny aretina hoy ireo mpitsabo, izany hoe mbola tsara sy fahendrena ny mitandrina.Ny fanjakana rahateo tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa hoe tapitra hatreo ny fahamailoana ara-pahasalaana izay nandimby ny fahamehana ara-pahasalamana.Ny dikan’izay dia mbola manan-kery avokoa ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra tahaka ny fanaovana aro vava orona sy fampiasana gel hydroalcoolique na fanasana rano amin’ny savony , fa anisan’izany ihany koa ny toerana olona 4 milahatra ihany ao anaty fiara fitateram-bahoaka, izay toerana mihiboka mety amina fotoana mmaharitra ka izany hoe manafaingana ny mety ho fiparitahan’ny aretina raha sanatria ka misy olona tokana monja voa ao. Misy fotoana manara-maso sy manasazy ihany ireo polisy misahana ny fifamoivoizana fa , misy fotoana ihany koa na tsy eo, na tsy mahatsikaritra ny taingim-be angamba izy ireo koa dia manara-po ireo taxi be.
RTT
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap