airtel

Fifamoivoizana

31-mars-2021

Fifamoivoizana

Taxi Be - Mini Bus Mijanona ho 2 ihany ny mpandeha eo anoloana

Sample post image

Nanamafy ireo fepetra fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 ho an’ny fiara fitateram-bahoaka rehetra

31-mars-2021

 

 eto amin’ny faritra Antananarivo sy ny manodidina ny Sampandraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Ho an’ny Taxi Be dia ferana ho 4 isaky ny seza «banquette» ny mpandeha, ary tsy mampiasa “strapontin” ary tsy mitondra mpandeha mitsangana. Ny mpandeha eo aloha kosa dia mijanona ho 2 ihany. Ho an’ny Mini Bus indray dia ferana ho 3 isaky ny seza «banquette» ny mpandeha. Tsy mampiasa seza volamena. Ny mpandeha eo aloha kosa dia mijanona ho 2 ihany. Ho an’ny fiarakaretsaka dia ferana ho 3 ny isan’ny mpandeha azony entina. Nanamafy ny ATT sy ny CUA fa tsy misy fisondrotana ny sarandalana ary miezaka ny mpandeha mba hampiasa vola tsy misy fameriny. Mikasika ny fanaovana «desinfection» indray dia afaka manatona eny amin’ny BMH Isotry ireo filohan’ny Kaoperativa «urbaine» maka ny ranom-panafody na mankeny amin’ny coliseum raha tsy manana fandrarahana ; ireo fiaran’ny «suburbaine» kosa dia efa misy ny lamina napetraky ny UCTS sy ny UCTS FA. Entanina ny mpandeha fiara iombonana mba tsy hifindrafindra seza rehefa tafiditra ao anaty fiara. Etsy ankilany dia entanina ihany koa ny fiaran’olontsotra rehetra mba hanaja hatrany ny elanelana 1 metatra amin’ireo mpandeha ao anatiny.

Jean D.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap