ankehitriny, mamelona an-kohonana an’arivony ihany koa. Tsy misy toerana izay tsy ahitana azy ireny intsony, izay marihina fa ilain’ny mpanjifa ihany koa indrindra fa amin’ny oran’ny fitohanana hanenjehana fidirana any am-pianarana sy any am-piasana. Sarotra ny hanafoanana azy ireny hoy ny mpanolon-tsain’ny sasany tanana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Ny mety hoy izy ireo dia ny famerana ny toerana hidirany sy ny hiasany. Tsy mety ohatra ny eto an-drenivohitra fa avela hiasa sy hitady vola any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo izy ireo. Ankoatra io moa dia tsara sy mety ihany koa raha hampidirana ao anatin’ny asa maika hanatsarana ny asa fitaterana amin’ny alalan’ny taxi-bisikileta eto amintsika ny fanomezana fiofanana ireo mpamily izany. Mbola betsaka amin’izy ireny mantsy no tsy mahafehy ny lalan’ny fifamoivoizana eto amintsika fa mahay mitondra fotsiny. Tsy vitsy ireo manaotao foana vokatr’izany eny am-pandehanana eny toy ny fisongonana an-kavanana ny fiara miara-dalana amin’izy ireny sy ny kodiaran-droa, ny fandehanana mafy loatra nefa mitondra mpianatra madinika….Andrasana araka izany izay mety ho vokatry ny fivoriana momba ny fandrindrana ny fifamoivoizana tanterahin’ireo mpanolontsaina eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.
Pati
Legende : Efa miparitaka etsy sy eroa tahaka izao ny taxi-bisikileta !