airtel

Fifamoivoizana

12-mars-2024

TAXI-BROUSSE AVY ANY ANTSIRABE

Nivadika, mpandeha 20 isa naratra

Sample post image

Fiara fitateram-bahoaka iray avy Antsirabe hiazo an’Antananarivo omaly

12-mars-2024

Alatsinainy 11 Martsa no nivadika rehefa nidina ny fidinana misy fiolahana ivelan'ny tanàna.Nidaraboka tamin'ny takibany havia ilay fiara izay fantatra fa vokatry ny fandehanana mafy loatra sy tsy fitandreman'ny mpamily, hoy ny vaovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Efa nalefa haingana namonjy hôpitalyany Antsirabe sy Antanifotsy avokoa moa ireo mpandeha mba hahazo naratra raha tsy nisy kosa ny aina nafoy. Ny tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Antanifotsy no misahana ny fanadihadiana. Tsiahivina moa fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Vokatry ny fahasimbana ara-teknika mahazo ny fiara iray ny 80%-n’ny antony mahatonga izany raha vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily kosa ny 20%.
Pati
Legende : Nivadika tahaka izao ilay taxi-brousse !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap