airtel

Fifamoivoizana

10-juin-2021

Fifamoivoizana

Taxi-brousse Misy tsy manana fahazoan-dalana kanefa miasa ihany

Sample post image

Betsaka ireo fiara tsy manana fahazoan-dalana lasa mitrandraka ny lalam-pirenena toy ny RN4 sy ny RN 2

10-juin-2021

 

 

 

 amin’izao taorian’ny nisokafan’ny fihibohana teto amintsika herinandro mahery izao. Misy ireo mitatitra olona raha misy ihany koa ireo mitatitra entana. Maro dia maro tokoa izy ireny raha araka ny fantatra, antony nanosika ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety n a ny ATT hanao fanentanana sy hampahafantatra izany tamin’ny alalan’ny filohany Reribaky Jeannot.Miantso ireny fiara tsy manara-dalana ireny araka izany ny ATT mba hitandrina fa tsy hitsitsy ireo izay tratrany izy ireo. Ankoatra izay dia miantso ny mpandeha hatrany izy mba hanaiky hisoratra anarana anaty manifold, arahin’ ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana aron-tava, ny fanasan-tanana amin’ny savony… hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19.Tsiahivina moa fa loza miisa roa no nitranga tany amin’ny lalam-pirenena faharoa sy fahaefatra tamin’ny zoma lasa teo, fotoana nisokafan’ny fifamoivoizana teto amintsika saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy.

 Pati

 

Dans la même rubrique