airtel

Fifamoivoizana

04-sept-2023

TAXI” HITA NIHOSON-DRA

Nisy namono tao anatiny ny mpampily

Sample post image

Mirongatra indray ny famonoana mpamily fiara karetsaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina, indrindra fa ireo miasa alina.

04-sept-2023

Mpamily taxi iray mpiantsona eny Ankorondrano ary mody eny Ivandry no nisy namono teny Tsarahonenana Andraisoro ny sabotsy alina teo. Ilay fiara nentiny efa nihosin-dra ary natosik’ireo tsy mataho-tody tao anaty tatatra no hitan’ireo fokonolona teny an-toerana noho ny maraina ny andro ka nantsoina avokoa ny manam-pahefana rehetra. Omaly moa no natao fizahana na “autopsie” ny razana hahafantarana ny antony tena nahafaty azy marina. Raha araka ny fantatra dia tsy nisy lasan’ireo mpanao ratsy ny vola fa ny antontan-taratasy momba ilay fiara no tsy nisy tao intsony. Misokatra ny fanadihadiana hataon’ny manam-pahefana momba ity raharaha ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Nihosin-dra tahaka izao ilay fiara karetsaka nentin’Itompokolahy !
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

Card image cap
20-mai-2025

An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE

Card image cap