airtel

Fifamoivoizana

24-juin-2026

TAXI-MOTO, TAXI-BISIKILETA

Nikaramabe omaly noho ny grevin’ny taksibe

Sample post image

Tena nikaramabe ny taxi-moto sy ny

24-juin-2026

taxi-bisikileta omaly. Nety tamin'izy ireo tsara mihitsy indrindra amin'izao ankatoky ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona izao ny fitokonan'ireo mpitatitra teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ny Raim-pianakaviana mpitondra taxi-moto omaly dia nitondra 60.000 Ar nody izy nialan'ny lasantsy. Niasa nanomboka tamin'ny 06 ora maraina ka hatramin'ny 06 ora hariva. Ankoatra ny mpiasa sy ny mpianatra dia nomarihina fa marobe ireo mpanjifa vaovao azony toy ireo nifanao fotoana taman'olona nefa tsy nahita bus, ireo nivoaka naka vola tany amin'ny banky, ireo niantsena... Manodidina ny 30.000 Ar avy kosa no azon'ireo taxi-bisikileta. Tsiahivina moa fa nisy ihany ny taxibe niasa omaly saingy azo nisaina tamin'ny ratsan-tanana. Nanampy ny tahotr'ireo mba niasa nitsinjo vahoaka ny gafigafy sy ny fandrahonana nataon'ireo mpamily sy ny resevera ary ny tompon'ny fiara tsy nahazaka demokrasia. Fantatra moa fa hiverina hiasa avokoa izy ireo androany saingy mangataka ny Fitondram-panjakana mba hijery ny rariny sy ny hitsiny.
Pati
Légende : Nanjaka tokana ny taxi-moto sy ny taxi-bisikileta omaly !
 

Dans la même rubrique